Mpaminany lehibe

Ny mpaminany lehibe, araka ny fanasokajiana kristiana, dia ireo mpaminany ao amin'ny Baiboly izay nanoratra bokim-paminaniana lava kokoa noho ny maro sy ny boky nosoratany, ka ireto avy izy ireo: ny Bokin'i Isaia (na Izaia), ny Bokin'i Jeremia, ny Bokin'i Ezekiela, ny Bokin'i Daniela (na Daniely) ary ny Bokin'ny Fitomaniana izay ampian'ny Bokin'i Baroka.ao amin'ny Baiboly katolika sy ny Baiboly ortodoksa. Tsy afangaro amin'ireo atao hoe "mpaminany taloha" araka ny fanasokajiana ny boky ao amin'ny Baiboly hebreo (Tanakh) izy ireo. Ny bokin'ny mpaminany sisa rehetra sy ny olona heverin'ny lovantsofina fa nanoratra azy ireo kosa dia atao hoe mpaminany madinika.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search